Genesis 24:40 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy tamiko: NY TOMPO, izay eo anoloako amin’izay alehako, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny dianao ka haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny havako sy avy amin’ny fianakaviako ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa novaliany hoe: ‹I Iaveh, izay eo anatrehany no handehanako, no haniraka ny Anjeliny hiaraka aminao, sy hanambina ny dianao, ka haka vady ho an-janako, any amin’ny havako sy any an-tranon’ikaky ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novaliany hoe: «Eo anatrehan’ny TOMPO hatrany no izorako, ka Izy haniraka ny anjeliny hiaraka aminao sy hampahomby ny dianao; ny zanako dia hitondranao vady avy amin’ny foko nipoirako sy ny fianakavian-draiko.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny havako sy amin'ny tranon'ikaky.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy tamiko: NY TOMPO, izay eo anoloako amin’izay alehako, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny dianao ka haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny havako sy avy amin’ny fianakaviako ianao.
malagasy