Genesis 24:45 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho dia indro tamy i Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin’ny fantsakana izy ka nantsaka. Dia hoy aho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola tsy tapitra akory ny teny anakampo nataoko, dia inty i Rebekà nivoaka nitondra ny sininy teny an-tsorony, nidina nantsaka teo am-pantsakana; ka hoy aho taminy: ‹Mba omeo kely aho hosotroiko, raha sitrakao.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola tsy tapitra akory anefa ny teniko anakampo, dia tamy i Rebekà niantsoroka siny, dia nidina nankeo am-pantsakana ka nantsaka; ary hoy aho taminy: «Mba omeo aho hosotroiko, aza fady!»
Malagasy Bible 1865
Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho dia indro tamy i Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin’ny fantsakana izy ka nantsaka. Dia hoy aho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.
malagasy