Genesis 24:47 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanontany azy aho hoe: Zanak’iza moa ianao? Hoy izy: Zanak’i Betoela, zanakalahin’i Nahora, izay naterak’i Milka taminy. Dia nataoko teo amin’ny orony ny kavina ary teny amin’ny tanany ny haba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanontany azy aho, nanao hoe: ‹Zanak’iza moa ianao?› Ary novaliany hoe: ‹Zanak’i Batoela, zanaka lahin’i Nakôra, izay naterak’i Melkà taminy, aho.› Izay dia nasiako kavina ny orony, ary nasiako haba ny tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa nanontany azy aho hoe: «Zanak’iza moa ianao?», dia novaliany hoe: «Zanakavavin’i Betoela aho, ary zafikelin’i Nahôra sy i Milkà.» Dia napetrako teo amin’ny oron-drazazavavy ny kavina ary nataoko teny an-tanany ny haba.
Malagasy Bible 1865
Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak'i Betoela, zanakalahin'i Nahora, aho, izay naterak'i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin'orona, ary ny haba teny amin'ny tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanontany azy aho hoe: Zanak’iza moa ianao? Hoy izy: Zanak’i Betoela, zanakalahin’i Nahora, izay naterak’i Milka taminy. Dia nataoko teo amin’ny orony ny kavina ary teny amin’ny tanany ny haba.
malagasy