Genesis 24:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hanaraka ahy hankaty amin’ity tany ity Ravehivavy ka moa va hoentiko miverina any amin’ny tany izay nialanao ny zanakao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny navalin’ilay mpanompony: «Angamba tsy hety hiaraka amiko hankany amin’ity tany ity ny vehivavy; ka ny zanakao ve no tokony hoentiko mankany amin’ny tany niavianao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namaly azy ilay mpanompo hoe: –Angamba tsy te hiaraka amiko ho atỳ amin’ity tany ity razazavavy, koa moa tsy maintsy haveriko any amin’ny tany izay efa nilaozanao ve ny zanakao?
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin'ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin'ny tany izay nialanao va aho?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hanaraka ahy hankaty amin’ity tany ity Ravehivavy ka moa va hoentiko miverina any amin’ny tany izay nialanao ny zanakao?
malagasy
Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin'ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin'ny tany izay nialanao va aho?