Genesis 24:50 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly i Labana sy i Betoela hoe: Avy tamin’NY TOMPO no nisehoan’izany zavatra izany ka tsy mahazo milaza na inona na inona aminao izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia namaly i Labàna sy i Batoela ka nanao hoe: «Avy amin’i Iaveh izao zavatra izao ka tsy azonay atao ny milaza aminao hoe tsy mety na mety.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namaly i Labàna sy i Betoela hoe: –Avy amin’ny TOMPO no niavian’izao zavatra izao ka tsy azonay iadian-kevitra.
Malagasy Bible 1865
Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin'i Jehovah no nisehoan'izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly i Labana sy i Betoela hoe: Avy tamin’NY TOMPO no nisehoan’izany zavatra izany ka tsy mahazo milaza na inona na inona aminao izahay.
malagasy
Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin'i Jehovah no nisehoan'izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.