Genesis 24:65 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sady niteny tamin’ilay mpanompo hoe: Iza moa irỳ lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika irỳ? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko. Dia nandray ny voaliny i Rebeka mba hanafenany ny tarehiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe: «Iza irỳ lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika irỳ?» Dia hoy ilay mpanompo: «Ny tompoko iny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nanontany ilay mpanompo hoe: –Iza moa io lehilahy mandeha etỳ an-tsaha avy mitsena antsika io? Ka hoy ilay mpanompo hoe: –Io no tompoko. Dia noraisin’i Rebekà ny voaly, ka nisaronany tarehy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamin'ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
sady niteny tamin’ilay mpanompo hoe: Iza moa irỳ lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika irỳ? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko. Dia nandray ny voaliny i Rebeka mba hanafenany ny tarehiny.
malagasy