Genesis 24:67 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nampandroso an’i Rebeka ho ao an-dain’i Saraha reniny Isaka ka nampakatra azy ho vadiny. Tia azy izy ka nionona ny alahelony ny reniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia nampandrosoin’i Itsehàka tao an-dain’i Sarà reniny i Rebekà, ka nalainy ho vady sy notiaviny; dia nampionona an’i Itsehàka izany taorian’ny nahafatesan-dreniny.
Malagasy Bible 1865
Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain'i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nampandroso an’i Rebeka ho ao an-dain’i Saraha reniny Isaka ka nampakatra azy ho vadiny. Tia azy izy ka nionona ny alahelony ny reniny.
malagasy
Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain'i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.