Genesis 25:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Abrahama dia niteraka an’Isaka. Efapolo taona Isaka raha nampakatra an’i Rebeka, zanakavavin’i Betoela arameana, avy tany Padana-Arama, sady anabavin’i Labana arameana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an’i Rebekà, anabavin’i Labàna sady zanakavavin’i Betoela izay Aramianina tao Padàna-Arama.
Malagasy Bible 1865
Abrahama niteraka an'Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Abrahama dia niteraka an’Isaka. Efapolo taona Isaka raha nampakatra an’i Rebeka, zanakavavin’i Betoela arameana, avy tany Padana-Arama, sady anabavin’i Labana arameana.
malagasy
Abrahama niteraka an'Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana.