Genesis 25:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO taminy: Firenena roa no ao an-kibonao, ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrany an-kibonao; ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray, koa ny zokiny dia hanompo ny zandriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Iaveh taminy: «Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin’ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO taminy: Firenena roa no ao an-kibonao, ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrany an-kibonao; ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray, koa ny zokiny dia hanompo ny zandriny.
malagasy
Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.