Genesis 25:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Taorianan’izay dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tanany nihazona ny voditongotr’i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany. Enimpolo taona Isaka raha niteraka azy mirahalahy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa enimpolo taona i Isaaka tamin’ny nahaterahan’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany dia teraka koa ny rahalahiny; nohazoniny ny voditongotr’i Hesao ka natao hoe Jakôba ny anarany. Efa enimpolo taona i Itsehàka tamin’ny nahaterahan’izy mirahalahy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Taorianan’izay dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tanany nihazona ny voditongotr’i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany. Enimpolo taona Isaka raha niteraka azy mirahalahy ireo.
malagasy