Genesis 25:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitombo ireo zaza ireo. I Esao dia lehilahy nahay nihaza, mpandehandeha any an-tsaha, fa i Jakoba kosa dia lehilahy tso-piaina sady mpitoetra an-tranolay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitombo ireo zaza ireo ka i Esao moa tonga mpihaza mahay, sy lehilahy mpiantsaha; fa i Jakôba kosa lehilahy nandry feizay, faly nipetraka tao an-day.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitombo ireo zaza, ka i Hesao dia tonga mpihaza mahay sady mpianefitra; fa i Jakôba kosa dia lehilahy bonaika, mpipetraka an-day.
Malagasy Bible 1865
Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitombo ireo zaza ireo. I Esao dia lehilahy nahay nihaza, mpandehandeha any an-tsaha, fa i Jakoba kosa dia lehilahy tso-piaina sady mpitoetra an-tranolay.
malagasy
Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.