Genesis 25:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Esao tamin’i Jakoba: Mba omeo amin’io mena io aho hohaniko, dia io mena io, fa reraka aho. Izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Esao tamin’i Jakôba: «Mba avelao aho hihinana amin’ny mena, dia amin’io mena io, fa reraka aho.» Izany no nanaovana ny anaran’i Esao hoe Edôma.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nangataka taminy hoe: –Mba omeo kely amin’io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin’ny anaram-bositra hoe Edôma na Ilaimena).
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Esao tamin’i Jakoba: Mba omeo amin’io mena io aho hohaniko, dia io mena io, fa reraka aho. Izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma.
malagasy
Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).