Genesis 26:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nolavahan’Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy, satria notampenan’ny Filistina ireny nony maty i Abrahama. Nomeny anarana araka ny anarana izay nomen’ny rainy azy ihany ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny lavaka fantsakana voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy izay nototofan’ny Filistinina nony maty i Abrahama dia nohadin’i Isaaka indray, ka nasiany anarana araka ny anarana nomen-drainy azy ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasainy nosokafana ireo fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy fa nototofan’ny Filistinina taorian’ny nahafatesany. Ary naveriny tamin’ireny fantsakana ireny indray ny anarana izay efa nomen-drainy azy.
Malagasy Bible 1865
Dia noloaran'Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon'i Abrahama rainy, fa efa novonoin'ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nolavahan’Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy, satria notampenan’ny Filistina ireny nony maty i Abrahama. Nomeny anarana araka ny anarana izay nomen’ny rainy azy ihany ireny.
malagasy