Genesis 26:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO niseho taminy tamin’iny alina iny ka niteny hoe: Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao; aza matahotra fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niseho taminy i Iaveh ny alin’izay ka nanao hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, rainao, aza matahotra fa momba anao aho; ka hanisy soa anao ka hahamaro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisehoan’ny TOMPO izy nony alina ka nilazany hoe: –Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao. Aza matahotra fa miaraka aminao Aho, ary mitahy anao. Hampitomboiko ny taranakao noho ny fampanantenana efa nataoko tamin’i Abrahama mpanompoko.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah niseho taminy tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin'i Abrahama mpanompoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO niseho taminy tamin’iny alina iny ka niteny hoe: Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao; aza matahotra fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.
malagasy