Genesis 26:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra Aho ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto. Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hampitomboiko tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao; homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto; ary amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hataoko marobe tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao ary homeko ireto faritany rehetra ireto. Amin’ny alalan’ireo taranakao no hitahiako ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany,
Malagasy Bible 1865
dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra Aho ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto. Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
malagasy
dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany;