Genesis 26:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanontany azy ny amin’ny vadiny ny lehilahy tompon-tany ka hoy izy: Anabaviko izy. Fa natahotra izy hilaza hoe Vadiko izy, fandrao hamono azy ny lehilahy tompon-tany noho i Rebeka, satria tsara tarehy Ravehivavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanontanian’ny olona tompon-tany ny amin’ny vadiny izy, ka namaly hoe: «Anabaviko io.» Satria natahotra ny hilaza hoe vadiko izy; fandrao vonoin’ny olona noho ny amin-dRebekà aho, hoy izy, fa tsara tarehy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanontany azy momba ny vadiny ny olona tamin’izany toerana izany, fa novaliany hoe: «Anabaviko izy.» Natahotra ny hilaza azy hoe vadiny izy, fandrao hovonoin’ny olona tamin’izany toerana izany ho faty ny tenany noho ny amin’i Rebekà fa tsara tarehy loatra ravehivavy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin'ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanontany azy ny amin’ny vadiny ny lehilahy tompon-tany ka hoy izy: Anabaviko izy. Fa natahotra izy hilaza hoe Vadiko izy, fandrao hamono azy ny lehilahy tompon-tany noho i Rebeka, satria tsara tarehy Ravehivavy.
malagasy