Genesis 26:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nitoetra ela teo izy dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistina, ka nahita fa indro, nisangy tamin’i Rebeka vadiny Isaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ela no nitoerany tao Jerara, sendra nitazana teo am-baravarankely kosa i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistinina. Ka indro i Isaaka hitany nisangy tamin-dRebekà vadiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa ela no nitoeran’i Itsehàka tao, dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimelèka indray andro ka nahita an’i Itsehàka nisangisangy an’i Rebekà vadiny.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nitoetra ela teo izy dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistina, ka nahita fa indro, nisangy tamin’i Rebeka vadiny Isaka.
malagasy
Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.