Genesis 27:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa antitra Isaka sady pahina ny masony ka tsy nahita intsony dia niantso an’i Esao lahimatoany izy ka niteny taminy hoe: Anaka! Ary hoy izy taminy: Inty aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa antitra i Isaaka ka efa nanjavona ny masony ka tsy nahita intsony. Dia niantso an’i Esao zanany lahy matoa izy, ka nanao taminy hoe: «Anaka.» - Ary hoy io taminy: «Inty aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa antitra i Itsehàka ary efa pahina ny masony ka tsy nahita tsara intsony. Dia niantso an’i Hesao zanany lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: –Ry Hesao a! Ary hoy ny navaliny azy: –Inty aho! Dia hoy i Itsehàka hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa antitra Isaka sady pahina ny masony ka tsy nahita intsony dia niantso an’i Esao lahimatoany izy ka niteny taminy hoe: Anaka! Ary hoy izy taminy: Inty aho!
malagasy
[Ny fitaka nataon'i Jakoba hahazoany ny tso-dranon'ny rainy] Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.