Genesis 27:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Jakoba tamin’ny rainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanatanteraka izay nasainao nataoko aho. Miangavy anao aho, miarena re, dia mipetraha ka hano ny hazako mba hitsofanao rano ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jakôba tamin-drainy: «Izaho no Esao zanakao lahy matoa. Vitako ny nasainao nataoko ka masìna ianao, miarena ary mipetraha hihinana ny hazako, mba hitsofan’ny fanahinao rano ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Jakôba taminy: –Izaho no Hesao, zanakao lahimatoa, efa nanao araka izay nolazainao aho; koa miarena ary mipetraha hihinana avy amin’ny hazako, mba hitsofanao rano ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Jakoba tamin’ny rainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanatanteraka izay nasainao nataoko aho. Miangavy anao aho, miarena re, dia mipetraha ka hano ny hazako mba hitsofanao rano ahy.
malagasy
Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.