Genesis 27:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanatona an’Isaka rainy i Jakoba; ary nitsapa azy izy ka niteny hoe: Ny feo dia feon’i Jakoba fa ny tanana dia tanan’i Esao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanatona an-drainy i Jakôba; ka hoy i Isaaka nony nitsapa azy: «Ny feony dia feon’i Jakôba, fa ny tanany dia tanan’i Esao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanatona an’Itsehàka rainy i Jakôba ka notsapainy, ary nilazany hoe: –Ny feony dia feon’i Jakôba, nefa ny tanany kosa dia tanan’i Hesao.
Malagasy Bible 1865
Ary Jakoba nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon'i Jakoba, fa ny tanana dia tànan'i Esao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanatona an’Isaka rainy i Jakoba; ary nitsapa azy izy ka niteny hoe: Ny feo dia feon’i Jakoba fa ny tanana dia tanan’i Esao.
malagasy
Ary Jakoba nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon'i Jakoba, fa ny tanana dia tànan'i Esao.