Genesis 27:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hanompo anao anie ny firenena maro ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samihafa! Ho tompo amin’ny rahalahinao anie ianao ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao ary hohasoavina anie izay manisy soa anao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao, ho tompon’ny rahalahinao anie ianao, hiankohofan’ny zana-dreninao ianao. Ho voaozona anie izay hanozona anao, fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanompo anao anie ireo firenena ary hiankohoka eo anatrehanao ny vahoaka maro! Ho tompon’ny rahalahinao anie ianao ka hiankohoka eo anoloanao ireo zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao ary hohasoavina izay manisy soa anao!
Malagasy Bible 1865
Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hanompo anao anie ny firenena maro ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samihafa! Ho tompo amin’ny rahalahinao anie ianao ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao ary hohasoavina anie izay manisy soa anao!
malagasy