Genesis 27:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa vita ny fitsofan-drano nataon’Isaka an’i Jakoba ka vao nidify teo anatrehan’Isaka rainy izy dia niditra kosa i Esao rahalahiny avy nihaza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao avy nitso-drano an’i Jakôba i Isaaka, ary vao nandao an’i Isaaka rainy i Jakôba, no tonga avy any am-pihazana kosa i Esao, rahalahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nivoaka ny efitrano i Jakôba, nony vitan’i Itsehàka ny fitsofan-drano azy. Nefa raha vao nidify teo anatrehan’ny rainy izy, dia tonga kosa i Hesao rahalahiny avy nihaza.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa vita ny nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa vita ny fitsofan-drano nataon’Isaka an’i Jakoba ka vao nidify teo anatrehan’Isaka rainy izy dia niditra kosa i Esao rahalahiny avy nihaza.
malagasy
Ary rehefa vita ny nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.