Genesis 27:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namaly Isaka ka niteny tamin’i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, fa ny rahalahiny rehetra dia nataoko ho mpanompony; vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no azoko atao aminao, anaka?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny navalin’Isaaka an’i Esao: «Efa natsangako ho tomponao izy; sady efa nomeko azy ho mpanompony ny rahalahiny rehetra, ary nataoko be vary aman-divay izy. Ka ny aminao inona indray no azoko atao, anaka?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namaly azy i Itsehàka hoe: –Efa nataoko ho tomponao izy ary nomeko ho mpanompony ny rahalahiny rehetra. Nomeko azy koa ny vary aman-divay. Koa tsy misy azoko atao ho anao intsony, anaka!
Malagasy Bible 1865
Dia namaly Isaka ka nanao tamin'i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namaly Isaka ka niteny tamin’i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, fa ny rahalahiny rehetra dia nataoko ho mpanompony; vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no azoko atao aminao, anaka?
malagasy