Genesis 27:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Esao tamin’ny rainy: Tsy manana afa-tsy tsodrano tokana va ianao, ry Ikaky? Mba tsofy rano re aho, izaho koa, ry Ikaky ô! Sady nidradradradra nitomany i Esao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Esao tamin-drainy: «Dia tsy manana afa-tsy io tso-drano io va ianao, ry dada? Tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry dada ô! Sady nanandratra ny feony nitomany i Esao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa mbola niteny indray i Hesao hoe: –Moa tokana ihany ve ny tsodranonao, ry dada? Dada ô, izaho koa re mba tsofy rano e!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Esao tamin'ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Esao tamin’ny rainy: Tsy manana afa-tsy tsodrano tokana va ianao, ry Ikaky? Mba tsofy rano re aho, izaho koa, ry Ikaky ô! Sady nidradradradra nitomany i Esao.
malagasy
Ary hoy Esao tamin'ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.