Genesis 27:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy nanambara tamin’i Rebeka izany tenin’i Esao zanany lahimatoa izany, koa nandefa iraka haka an’i Jakoba zanany faralahy izy hiteny aminy hoe: Indro, mikasa hamaly faty anao i Esao rahalahinao ka hamono anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nolazain’olona tamin-dRebekà izany tenin’i Esao zanany lahy matoa izany, ka nampanalainy i Jakôba zanany lahy aivo, dia hoy izy taminy: «Indro i Esao rahalahinao mikasa hamaly faty anao, ka hamono anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nampandrenesina ny fikàsan’i Hesao lahimatoany i Rebekà, dia nampiantso an’i Jakôba faralahiny ka nanao taminy hoe: –Tandremo fa te hamaly ny nataonao i Hesao rahalahinao ka hamono anao ho faty.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin'i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an'i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy nanambara tamin’i Rebeka izany tenin’i Esao zanany lahimatoa izany, koa nandefa iraka haka an’i Jakoba zanany faralahy izy hiteny aminy hoe: Indro, mikasa hamaly faty anao i Esao rahalahinao ka hamono anao.
malagasy