Genesis 27:46 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Rebeka tamin’Isaka: Tsy te ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita ireny. Koa raha maka vady amin’ny zanakavavin’ny Hetita, tahaka ireto zazavavy tompon-tany ireto i Jakoba, dia inona indray no anton’ny hahavelomako?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Rebekà tamin’i Isaaka: «Boboky ny miaina aho noho ny amin’ireny zanaka vavin’i Heta ireny, raha maka vady tahaka ireny i Jakôba, amin’ireny zanaka vavin’i Heta ireny, amin’ny zazavavy amin’ity tany ity, dia hampaninona ahy intsony izay aina?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Rebèka tamin’i Itsehàka: –Efa mankaleo ahy mihitsy ny fiainako noho ny afitsok’ireto vinantovavy hetita ireto. Raha hanambady zazavavy tompon-tany toy ireo i Jakôba, dia aleoko maty!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Rebeka tamin'Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin'ny Hetita; raha maka vady amin'ny zanakavavin'ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin'ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Rebeka tamin’Isaka: Tsy te ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita ireny. Koa raha maka vady amin’ny zanakavavin’ny Hetita, tahaka ireto zazavavy tompon-tany ireto i Jakoba, dia inona indray no anton’ny hahavelomako?
malagasy