Genesis 28:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny taranakao dia ho tahaka ny vovoka amin’ny tany; hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao. Aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao; hitatra any andrefana sy any atsinanana ianao, ary any avaratra sy any atsimo; ary aminao sy amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin’ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.
Malagasy Bible 1865
ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin'ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny taranakao dia ho tahaka ny vovoka amin’ny tany; hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao. Aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
malagasy