Genesis 29:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’i Jakoba Rahely, zanakavavin’i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman’osin’i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin’ny vavan’ny fantsakana, ary nampisotro ny ondry aman’osin’i Labana anadahin-dreniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao hitan’i Jakôba i Rasela, zanak’i Labàna, anadahin-dreniny, sy ny ondrin’i Labàna anadahin-dreniny, dia nanatona izy nanakodia ny vato nanarona ny vava lavaka fantsakana sy nampisotro ny ondrin’i Labàna, anadahin-dreniny;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa nahita an’i Rahely zanakavavin’i Labàna anadahin-dreniny sy ireo ondry aman’osiny i Jakôba, dia nanatona nanaisotra ny vato teo amin’ny vava fantsakana, ka nampisotro ireo ondry aman’osin’ny anadahin-dreniny.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitan’i Jakoba Rahely, zanakavavin’i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman’osin’i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin’ny vavan’ny fantsakana, ary nampisotro ny ondry aman’osin’i Labana anadahin-dreniny.
malagasy