Genesis 29:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nahita lavaka fantsakana iray tany an-tsaha izy; ary indro, nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ny olona ny andian’ondry aman’osy. Nisy vato lehibe teo am-bavan’ny fantsakana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitazana izy ka indro lavaka fantsakana anankiray teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry telo dia, nandry teo anilany, fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan-drano ny biby fiompy, ary lehibe ny vato teo ambonin’ny vava lavaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro izy, dia nahatazana fantsakana teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa io fantsakana io no fampisotroana ny biby fiompy. Misy vato lehibe manarona ny vavan’ny fantsakana.
Malagasy Bible 1865
Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman'osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman'osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nahita lavaka fantsakana iray tany an-tsaha izy; ary indro, nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ny olona ny andian’ondry aman’osy. Nisy vato lehibe teo am-bavan’ny fantsakana.
malagasy