Genesis 29:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony maraina ny andro, indro, hay i Lea ilay izy! Dia hoy i Jakoba tamin’i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Koa nahoana no nofitahinao aho?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga ny maraina, indro fa i Lià io, ka hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Inona ity nataonao tamiko? Moa tsy ny hahazoako dRasela va no nanompoako teto aminao? Nahoana no dia nofitahinao aho?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony maraina vao gaga i Jakôba fa hay i Leà no tao aminy, ka hoy izy tamin’i Labàna: –Inona izao nataonao tamiko izao? Fa angaha tsy i Rahely no nanompoako anao, koa nahoana ianao no namitaka ahy?
Malagasy Bible 1865
Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony maraina ny andro, indro, hay i Lea ilay izy! Dia hoy i Jakoba tamin’i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Koa nahoana no nofitahinao aho?
malagasy
Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?