Genesis 29:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo no nangonina ny andian’ondry aman’osy rehetra, dia nakodia hiala amin’ny vavan’ny fantsakana ny vato ka nampisotroina ny ondry aman’osy; avy eo dia averina ho amin’ny toerany eo am-bavan’ny fantsakana indray ny vato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tao no niangonan’ny biby fiompy rehetra. Akodia aloha ny vato avy eo ambonin’ny vava lavaka fantsakana, ka ampisotroina ny biby fiompy, dia averina amin’ny fitoerany eo am-bava lavaka fantsakana indray ny vato.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tafangona avokoa ireo andiany rehetra, dia esorina ny vato amin’ny vava fantsakana ary ampisotroina ny andian’ondry aman’osy; aorian’izany, dia averina ho amin’ny toerany eo amin’ny vava fantsakana ilay vato.
Malagasy Bible 1865
Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo no nangonina ny andian’ondry aman’osy rehetra, dia nakodia hiala amin’ny vavan’ny fantsakana ny vato ka nampisotroina ny ondry aman’osy; avy eo dia averina ho amin’ny toerany eo am-bavan’ny fantsakana indray ny vato.
malagasy