Genesis 29:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanana anaka indray izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hifikitra amiko ny vadiko satria niteraka zazalahy telo ho azy aho. Izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy, ka nanao hoe: «Izao vao hiraiki-po amiko tokoa ny vadiko, fa niteraka telo mirahalahy ho azy aho.» Izany no nanaovany ny anaran’io hoe Levi.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola bevohòka indray izy ka tera-dahy fanintelony, dia nanao hoe: –Ankehitriny dia hifikitra amiko ny vadiko, satria efa niteraka telo lahy ho azy aho. Noho izany dia nataony hoe Levỳ ny anarany.
Malagasy Bible 1865
Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanana anaka indray izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hifikitra amiko ny vadiko satria niteraka zazalahy telo ho azy aho. Izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
malagasy
Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.