Genesis 29:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ireo: Tsy azonay atao izany raha tsy efa tafangona avokoa ny andian’ondry aman’osy rehetra ka akodia ny vato hiala amin’ny vavan’ny fantsakana; dia izay vao mampisotro ny ondry aman’osy izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ny navalin’ireo: «Tsy azonay atao izany raha tsy efa tafangona ny andiam-biby fiompy rehetra, sy efa voakodia hiala amin’ny vava lavaka fantsakana ny vato, vao mampisotro ny ondry izahay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa novalian’ireo hoe: –Tsy azonay atao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andiany rehetra; amin’izay dia hoesorina ny vato eo amin’ny vava fantsakana, ary hampisotro ny ondry aman’osy izahay.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman'osy izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ireo: Tsy azonay atao izany raha tsy efa tafangona avokoa ny andian’ondry aman’osy rehetra ka akodia ny vato hiala amin’ny vavan’ny fantsakana; dia izay vao mampisotro ny ondry aman’osy izahay.
malagasy