Genesis 3:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny menarana dia fetsy noho ny bibidia rehetra izay nataon’NY TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dRavehivavy: Hay va niteny Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny bibilava no fetsy indrindra amin’ny biby rehetra eny an-tsaha izay nataon’i Iaveh Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny bibilava no fetsy indrindra, tamin’ny bibidia rehetra nataon’ny TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dravehivavy: –Marina ve fa noraran’Andriamanitra tsy hihinana ny voan’ny hazo rehetra ao an-jaridaina ianareo?
Malagasy Bible 1865
Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny menarana dia fetsy noho ny bibidia rehetra izay nataon’NY TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dRavehivavy: Hay va niteny Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha!
malagasy
[Ny nanotan'i Adama sy Eva, sy izay nataon'Andriamanitra taminy] Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha?