Genesis 3:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO Andriamanitra tamin’ny menarana: Satria nahavita izany ianao dia ianao no voaozona amin’ny biby fiompy rehetra sy ny bibidia rehetra: Ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Iaveh Andriamanitra tamin’ny bibilava: «Noho ianao nanao izany, dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin’ny bibilava: –Satria nanao izany ianao, dia ozoniko. Amin’ny biby fiompy sy ny bibidia rehetra, dia ianao ihany no handeha amin’ny kibonao, sady hihinana vovo-tany amin’ny andro rehetra hiainanao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin'ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin'ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO Andriamanitra tamin’ny menarana: Satria nahavita izany ianao dia ianao no voaozona amin’ny biby fiompy rehetra sy ny bibidia rehetra: Ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.
malagasy