Genesis 3:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy; toy izany koa ny taranakao sy ny taranany: Hanorotoro ny lohanao ny taranany, ary ianao kosa dia hanorotoro ny voditongony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.
Malagasy Bible 1865
Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy; toy izany koa ny taranakao sy ny taranany: Hanorotoro ny lohanao ny taranany, ary ianao kosa dia hanorotoro ny voditongony.
malagasy
Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.