Genesis 3:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy koa Izy tamin’i Adama: Satria nihaino ny feon’ny vadinao ianao ka nihinananao ny hazo izay nandrarako anao hoe: Aza mihinana avy amin’izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokatry ny tany amin’ny andro rehetra hiainanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy tamin-dralehilahy: «Noho ianao nihaino ny tenin’ny vadinao, ka nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao, dia voaozona ny tany noho ny nataonao. Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy mandritra ny andro rehetra hiainanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Farany ralehilahy na i Adama dia nilazan’ny TOMPO Andriamanitra hoe: –Satria nihaino ny feom-badinao ianao ka nihinana tamin’ny voan-kazo izay efa nandrarako anao tsy hohanina, dia voaozona ny tany noho ny fahadisoanao; tsy maintsy hiasa mafy ianao mba hahazoanao hanina mandritra ny andro rehetra hiainanao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy koa Izy tamin’i Adama: Satria nihaino ny feon’ny vadinao ianao ka nihinananao ny hazo izay nandrarako anao hoe: Aza mihinana avy amin’izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokatry ny tany amin’ny andro rehetra hiainanao.
malagasy