Genesis 3:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina, mandra-piverinao any amin’ny tany; fa avy amin’ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao ary hiverina ho amin’ny vovoka indray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao amin’ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina mandra-piverinao amin’ny tany izay nanalana anao. Fa vovo-tany ianao, ka hiverina ho vovo-tany.
Malagasy Bible 1865
Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina, mandra-piverinao any amin’ny tany; fa avy amin’ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao ary hiverina ho amin’ny vovoka indray.
malagasy
Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray ianao.