Genesis 3:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO Andriamanitra: Indro, tonga tahaka ny iray Amintsika ny olona ka mahalala ny tsara sy ny ratsy. Ankehitriny, fandrao hanatsotra ny tanany izy ka hanalany hihinanany koa ny hazon’aina dia ho velona mandrakizay izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Indro efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olombelona raha ny amin’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Fa amin’izao kosa aoka tsy haninjitra ny tanany izy haka amin’ny hazon’aina koa, sy hihinana izany, ka ho velona mandrakizay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: «Indro ny olombelona fa efa tonga tahaka ny iray amintsika momba ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy; koa ankehitriny, aoka izy tsy haninjitra ny tanany haka ny voan’ny hazon’aina ka hihinana amin’izany, dia ho velona mandrakizay!»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO Andriamanitra: Indro, tonga tahaka ny iray Amintsika ny olona ka mahalala ny tsara sy ny ratsy. Ankehitriny, fandrao hanatsotra ny tanany izy ka hanalany hihinanany koa ny hazon’aina dia ho velona mandrakizay izy!
malagasy