Genesis 3:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ny sabatra mihodinkodina hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa avy nandroaka ny olombelona Izy, dia nametraka teo atsinanan’ny zaridaina ireo kerobima, izay mitondra sabatra misy lelafo midedadeda mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
Malagasy Bible 1865
Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ny saha Edena ny kerobima* sy ny lelafon’ny sabatra mihodinkodina hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
malagasy
Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.