Genesis 3:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitan-dRavehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso, no hazo mahatsiriritra toa hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; dia nomeny koa ny vadiny izay teo anilany ka nihinana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana, mahatehijery sy mendrika hoirîna mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin’ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hitan-dravehivavy fa maha te hihinana ny voan’ilay hazo sady mahasarika ny maso no mampitsiriritra hahazoana fahiratan-tsaina. Dia nitoazany ny voany ka nohaniny; ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy ka nihinana.
Malagasy Bible 1865
Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitan-dRavehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso, no hazo mahatsiriritra toa hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; dia nomeny koa ny vadiny izay teo anilany ka nihinana.
malagasy