Genesis 30:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandeha nitsangantsangana i Robena tamin’ny fotoana fijinjam-barimbazaha dia nahita dodaima tany an-tsaha ka nitondra azy ho any amin’i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin’i Lea: Mba anomezo amin’ny dodaiman’ny zanakao re aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny fotoana fijinjam-barim-bazaha, nivoaka i Robena, ka nahita mandragora tany an-tsaha, dia nentiny tany amin’i Lià reniny. Ary hoy i Rasela tamin’i Lià: «Masìna ianao, mba omeo kely amin’ny mandragoran-janakao aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro tamin’ny fotoam-pararano iny, dia nandeha nitsangatsangana tany an-tsaha i Reobena ary nahita mandragôra. Nentiny tany amin’i Leà reniny izany, ka hoy i Rahely tamin’i Leà: –Mba omeo kely amin’ireo mandragôran’ny zanakao aho, azafady!
Malagasy Bible 1865
Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin'ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin'i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin'i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman'ny zanakao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandeha nitsangantsangana i Robena tamin’ny fotoana fijinjam-barimbazaha dia nahita dodaima tany an-tsaha ka nitondra azy ho any amin’i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin’i Lea: Mba anomezo amin’ny dodaiman’ny zanakao re aho!
malagasy