Genesis 30:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Lea taminy: Tsy ampy anao va ny nakanao ny vadiko no halainao koa ny dodaiman’ny zanako? Dia hoy Rahely: Aoka ary izy handry aminao ihany anio alina ho takalon’ny dodaiman’ny zanakao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny navaliny azy: «Tsy ampy ve ny nangalanao ny vadiko, ka haka ny mandragoran-janako koa ianao?» Dia hoy i Rasela: «Aoka àry ho any aminao izy anio alina, ho valin’ny mandragoran-janakao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa novalian’i Leà hoe: –Moa tsy ampy anao ve ny nakanao ny vadiko ka tianao halaina koa ankehitriny ny mandragôran-janako? Dia hoy i Rahely hoe: –Aleo àry handry any aminao i Jakôba anio alina ho takalon’ny mandragôran-janakao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman'ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman'ny zanakao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Lea taminy: Tsy ampy anao va ny nakanao ny vadiko no halainao koa ny dodaiman’ny zanako? Dia hoy Rahely: Aoka ary izy handry aminao ihany anio alina ho takalon’ny dodaiman’ny zanakao.
malagasy
Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman'ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman'ny zanakao.