Genesis 30:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakoba, dia avy nitsena azy i Lea ka niteny hoe: Atỳ amiko no halehanao; fa karamako tamin’ny dodaiman’ny zanako tokoa ianao. Dia nandry taminy izy tamin’iny alina iny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hariva, inty tonga avy any an-tsaha i Jakôba, ka nivoaka nitsena azy i Lià, nanao hoe: «Ato amiko no halehanao fa efa nohofako ny mandragoran-janako ianao.» Dia nandry taminy izy ny alin’izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakôba ny hariva, dia nivoaka hitsena azy i Leà sady nanao taminy hoe: –Ato amiko no handrianao anio ho takalon’ny mandragôran-janako. Dia nandry tany aminy i Jakôba iny alina iny.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman'ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin'iny alina iny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakoba, dia avy nitsena azy i Lea ka niteny hoe: Atỳ amiko no halehanao; fa karamako tamin’ny dodaiman’ny zanako tokoa ianao. Dia nandry taminy izy tamin’iny alina iny.
malagasy