Genesis 30:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Lea: Notoloran’Andriamanitra fanomezana soa aho; amin’izao vao hitoetra amiko ny vadiko fa niteraka enin-dahy taminy aho. Dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nanao hoe: «Nomen’Andriamanitra anjara soa aho; amin’izao, dia hitoetra amiko ny vadiko, fa niteraka enina mirahalahy ho azy aho.» Dia nataony hoe Zabolôna ny anarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nilaza izy hoe: –Efa nanome zava-tsoa ahy Andriamanitra; ary amin’ity indray mandeha ity dia hanaja ahy ny vadiko, satria efa niteraka enin-dahy ho azy aho. Dia nataony hoe Zebolòna ny anarany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin'izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Lea: Notoloran’Andriamanitra fanomezana soa aho; amin’izao vao hitoetra amiko ny vadiko fa niteraka enin-dahy taminy aho. Dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
malagasy
Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin'izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.