Genesis 30:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Omeo ahy ny vady aman-janako izay nanompoako anao fa handeha aho; fantatrao ny fanompoana izay nefaiko ho anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Omeo ahy ireo vadiko nanompoako anao, mbamin’ireo zanako dia handeha aho; fa fantatrao izay fanompoako nataoko taminao izay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avelao hoentiko ireo vady aman-janako, izay antony nanompoako anao. Aoka aho handeha, satria efa fantatrao avokoa ireo asa efa nataoko ho anao!
Malagasy Bible 1865
Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Omeo ahy ny vady aman-janako izay nanompoako anao fa handeha aho; fantatrao ny fanompoana izay nefaiko ho anao.
malagasy
Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao.