Genesis 30:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Labana: Inona ary no homeko anao? Dia hoy i Jakoba: Aza manome ahy na inona na inona ianao. Raha ataonao amiko izao zavatra manaraka izao dia mbola hanohy hiandry sy hitandrina ny ondry aman’osinao ihany aho:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Labàna: «Inona àry no homeko anao?» Ka hoy i Jakôba: «Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; fa raha ekenao izao teniko izao, dia handrasako sy hotandremako indray ny biby fiompinao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy indray i Labàna hoe: –Inona no karama haloako aminao? Ka novalian’i Jakôba hoe: –Tsy misy haloanao amiko akory. Fa raha manaiky izao soso-kevitra izao ianao, dia hiverina hiandry sy hitandrina ny ondry aman’osinao aho.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman'osinao:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman'osinao: