Genesis 30:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia navahany tamin’izany andro izany ny osilahy vandana sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra tamin’ny ondry, dia natolony teo an-tanan’ireo zanany lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Androtr’izay ihany dia navahany ny osy lahy sadika sy mara, ny osy vavy sadika sy mara, izay rehetra misy fotsy, ary izay mainty rehetra tamin’ny zanak’ondry; ka ireny no natolony ho eo an-tanan’ny zanany lahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny androtr’iny ihany anefa dia efa navahan’i Labàna ka natolony ho eo am-pelatanan’ny zanany ireo osilahy sadìka sy sada sy ireo osivavy rehetra maramara sy sada ary ireo ondry vandambandana rehetra;
Malagasy Bible 1865
Dia navahany tamin'izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin'ny ondry; dia natolony teo an-tanan'ny zananilahy ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia navahany tamin’izany andro izany ny osilahy vandana sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra tamin’ny ondry, dia natolony teo an-tanan’ireo zanany lahy.
malagasy