Genesis 30:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia napetrany teo anoloan’ny ondry aman’osy, tao anatin’ny fampisotroan-drano, ireny tsorakazo voavaofiny ireny, tao anatin’ny fampisotroan-drano izay nalehan’ny ondry aman’osy hisotro; nikambana teo ny lahy sy ny vavy raha avy hisotro rano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia napetrany teny amin’ny tatatra, teny amin’ny fisotroan-drano fisotron’ny ondry, ny tsora-kazo voavaofy, nataony talaky mason’ny ondry; fa nitady hikambana ireny nony tonga hisotro,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Napetrany tao amin’ny tavy fisotroan-drano ireny, teo anoloan’ireo biby izay maimay hikambana rehefa tonga hisotro rano.
Malagasy Bible 1865
Ary ireny tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan'ny ondry aman'osy, teo anatin'ny tavin-drano, dia teo amin'ny fisotroan-drano, izay nalehan'ny ondry aman'osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia napetrany teo anoloan’ny ondry aman’osy, tao anatin’ny fampisotroan-drano, ireny tsorakazo voavaofiny ireny, tao anatin’ny fampisotroan-drano izay nalehan’ny ondry aman’osy hisotro; nikambana teo ny lahy sy ny vavy raha avy hisotro rano.
malagasy