Genesis 30:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha osaosa kosa ny ondry aman’osy dia tsy mba napetrany teo ireny, koa ny osaosa no an’i Labana fa ny matanjaka kosa an’i Jakoba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa raha osaosa kosa ny ondry dia tsy mba nataony tao ireny; ka dia ny zanak’ondry osaosa no an’i Labàna, fa ny matanjaka kosa an’i Jakôba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha farofy kosa ireo biby, dia tsy mba napetrany teo ireny tsora-kazo ireny; ka dia ireo biby farofy no an’i Labàna fa ireo matanjaka kosa no an’i Jakôba.
Malagasy Bible 1865
Fa raha osaosa kosa ny ondry aman'osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka kosa no an'i Jakoba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha osaosa kosa ny ondry aman’osy dia tsy mba napetrany teo ireny, koa ny osaosa no an’i Labana fa ny matanjaka kosa an’i Jakoba.
malagasy
Fa raha osaosa kosa ny ondry aman'osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka kosa no an'i Jakoba.Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.